Ry Tompo Zanahary ô | O Dio nostro Padre |
Ry Tompo Zanahary ô, indro ny pretranay
Manolotra ho anao ny mofo sy ny divay. |
O Dio nostro Padre, ecco il nostro sacerdote
Ti offre pane e vino. |
Rit.
Mba raiso ka hamasino Ny soronay rehetra; Andriamanitra Rainay, Ekeo ny vavakay. (indroa) |
Rit.
Per favore, prendi e benedici Tutti i nostri sacrifici; Dio nostro Padre, Accetta le nostre preghiere. (due volte) |
Ny mofo mba ovao re ho Vatan'i Jesoa,
Mba raiso ny divay ho tonga Rany koa. |
Cambia il pane nel Corpo di Gesù,
Per favore, prendi anche il vino perché diventi il Sangue. |
Ry Tompo Zanahary ô, raiso ny tolotray
Ho sorom-pamonjena ny otanay rehetra. |
O Dio nostro Padre, accetta la nostra offerta
Sia il sacrificio per tutti i nostri peccati. |
Salamo 62 | Salmo 62 |
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
Miantso anao aho, te hihaona aminao. |
oh Dio, oh Dio
Ti sto chiamando, voglio conoscerti. |
1. Hatramin'ny maraina no iantsoako anao,
Mangetaheta anao 'zany fanahiko. |
1. Dal mattino ti chiamo,
La mia anima ha sete di te. |
2. Ny tany karakaina omeo ny orana,
Ny foko mitaraina, fa te hahita anao. |
2. Dai la pioggia alla terra arida,
Il mio cuore piange, voglio vederti. |
3. Iriko anie, ry Tompo, ny ho eo anilanao,
Hibanjina isan'andro ny voninahitrao. |
3. Desidero, Signore, essere al tuo fianco,
Contemplerò ogni giorno la tua gloria. |
4. Ny tara-masoandro andrasan'ny maraina:
Manoatra noho izany ny fiantsoako anao. |
4. La luce del sole sorge al mattino:
Io ti chiamo più di questo. |
5. Ny aina etý an-tany efa ankafizinay,
Fa mamy noho izany ny hatsaram-ponao. |
5. Noi godiamo della vita terrena,
Ma la tua tenerezza è più dolce di essa. |
6. Fa ianao no aina hamelombelona ahy,
Fa ianao, ry Ray ô, no hasambarako. |
6. Poiché tu sei la vita che mi ristora,
Tu, o Padre, mi doni beatitudine. |
Masina, Masina, Masina, Masina, Masina, Masina | Santo, Santo, Santo, Santo, Santo, Santo |
Ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra. | Il Signore Dio Onnipotente. |
Masina, Masina, Masina, Masina, Masina, Masina | Santo, Santo, Santo, Santo, Santo, Santo |
Ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra. | Il Signore Dio Onnipotente. |
Feno ny voninahitrao re ny tany aman-danitra e. (x 2) | I cieli e la terra sono pieni della tua gloria. (x 2) |
Hozana, Hozana any amin' ny avo indrindra. (x 2) | Osanna, Osanna nel più alto. (x 2) |
Hosoavina anie 'lay avy amin' ny anaran' ny Tompo. (x 2) | Benedetto chi viene nel nome del Signore. (x 2) |
Hozana, Hozana any amin' ny avo indrindra. (x 2) | Osanna, Osanna nel più alto. (x 2) |
Antsa | Ansa |
1. Fo madio no iriko, Andriamanitra ô,
Hanarahako ny lalanao : Tanteraho amin'ny mpanomponao 'Zay sitrakao. |
1. Desidero un cuore puro, o Dio,
seguirò la tua strada: compi nei tuoi servi la tua volontà |
Fiv: Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
Vao maraina no maniry anao ê ; Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, Ny fanahiko manina anao ê ; Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, Matimaty aminao e ny nofoko, Andriamanitra ô, Andriamanitra ô. |
Rit: oh Dio, oh Dio,
ti desidero la mattina presto; oh Dio oh Dio La mia anima ti manca; oh Dio oh Dio La mia carne è infiammata per te, oh Dio, oh Dio. |
2. Ifonako aminao avokoa
Ireny ota nitiavako ny tenako : Aza afenina ahy, Tompo, ny endrikao, Tompo be fitia. |
2. Ti prego
per i peccati del mio amor proprio: Non nascondermi il tuo volto, Signore, Signore mio amato. |
3. Ampanirio ao am-poko ny fitiavana
Hanamasina ny androko rehetra ; Ka hiova ho voninahitrao Ny asako rehetra. |
3. Metti amore nel mio cuore
santificherò tutti i miei giorni; Quindi cambierà per la tua gloria Tutto il mio lavoro. |
Vory eto izahay | Siamo qui riuniti |
Vory eto izahay hiaraka hivavaka
Ny hasinao handravaka ny fiainanay, ry Tompo ô Vory eto izahay hiaraka hivavaka Mitalaho manantena famonjena |
Siamo qui riuniti per pregare insieme
La tua virtù decorerà la nostra vita, o Signore Siamo qui riuniti per pregare insieme e supplicare per la nostra salvezza |
Tsotra ny fiteninay raha miresaka Aminao
Hamasino izahay vahoakanao Ô ry Ray malalanay, mba henoy ny vavakay Vavaka asandratray tsy tapaka |
Il nostro linguaggio è semplice quando parliamo con Te
Santifica noi tuo popolo Caro Padre, ascolta la nostra preghiera Una preghiera che eleviamo ininterrottamente |
Vory eto izahay hiaraka hivavaka
Mafy anie ny lalana izoranay, ry Tompo ô Vory eto izahay hiaraka hivavaka Iray fo ao aminao Rainay |
Siamo qui riuniti per pregare insieme
Possa il nostro cammino essere forte, o Signore Siamo qui riuniti per pregare insieme Un cuore in te, Padre |
Tsotra ny fiteninay raha miresaka Aminao
Hamasino izahay vahoakanao Ô ry Ray malalanay, mba henoy ny vavakay Vavaka asandratray tsy tapaka |
Il nostro linguaggio è semplice quando parliamo con Te
Santifica noi tuo popolo Caro Padre, ascolta la nostra preghiera Una preghiera che eleviamo ininterrottamente |
Suore Nazarene